Nampitovy fomba fijery amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary ny minisiteran’ny Mponina sy ny BNGRC. Nisy ny fifanakalozana amin’ny fandrindrana ny asa sy ny andraikitra raisina momba ny fiahiana ara-tsosialy manampy amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary ho an’ny taona 2025-2026.
Tanjona ny hampitomboana ny fiaraha-miasa amin’ireo andrimpanjakana rehetra sy ireo mpiara-miombon’antoka miandraikitra ny fanohanana ireo vahoaka marefo manoloana ny loza.
Nojerena ny fanatsarana ny rafitra enti-mandrindra sy manatsara ny fahombiazana hatrany ny asa famonjena sy ny asa fiahiana ara-tsosialy manampy amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary. Fanavaozana ny naoty fifampifehezana ny asa vonjy sy ny fiahiana ara-tsosialy manampy amin’ny fiatrehana ny loza. Fanavaozana ny tahan’ny fanampiana fototra maha olona ilaina, mifanaraka amin’ny sanda lasitry ny fandaniana ara-piveloman’ny fianakaviana, hanomezana fanampiana mitovy sy ara-drariny ho an’ny traboina.
Fampidirana ny rejisitra sosialy iraisana (RSU) ao anatin’ny drafitra famaliana, ho fanatsarana ny fomba fitiliana ireo tokantrano tena marefo.
Kendrena ny fihatsarana ao amin’ny fandrindrana iraisan-tsehatra eny ifotony, eny anivon’ny faritra fa indrindra ny avy aty amin’ny nasionaly. Hatsaraina koa ny fomba hifantenana ireo tokantrano tena marefo tokony hisitraka an’ireo fanampiana na avy amin’ny fitondram-panjakana izany na avy amin’ny tsy miankina …
Tatiana A




