TSELATRA

Nahitana karandohan’olona iray tetsy amin’ny secteur 4, ao amin’ny fokontany Nanisana, omaly tamin’ny 5 ora latsaka fahatelony hariva. Olona sendra nandalo no nahita io taolam-balo io ka nampandre ny tomponandraikitra. Niantso ny polisim-pirenena ny sefo fokontany ary tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy izy ireo. Tonga naka io karandoha io ny BMH.

Vehivavy iray, 21 taona, nisoloky Cash point, teny Andrefana Ambohijanahary, voasambotry ny polisim-pirenena, afakomaly tamin’ny 11 ora atoandro. Tonga haingana teny an-toerana ny ny polisy nijery ny zava-misy. Vola mitentina 1 152 000 Ariary no nosolokiany sy lasany tany amin’ilay mpihazona Cash point tamin’izany. Nosamborina sy noentina eny amin’ny biraon’ny polisy CSP 5 Mahamasina izy.

Nanao fidinana niaraka ny polisy sy ny zandary ny alin’ny zoma 8 Aogositra 2025 lasa teo. Nojerena tamin’izany ny toeram-pisotroana sy ny toerana fialamboly any Mananara Avaratra. Tanjona ny hanentanana ny fanarahana ny didim-panjakana mahakasika ny ora fikatonan’ny bar karaoké sy discothèque. Voarara ihany koa ny fanaovana seho misy endrika mamoafady ao amin’ny distrika.

Partager sur: