Toetr’andro : Mahatratra 4°C ny ha­tsiaka eto afovoan-tany

Ny tsiokan’ny varatraza malefaka no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny, mandritra ity herinandro ity. Hahazo vahana kokoa izany amin’ny fisasahan’ny herinandro. Hanorana malefaka miatoato any Sava, Ambatosoa, Analanjirofo ary Atsinanana. Hiitatra any Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana izany ny alarobia sy ny alakamisy. Handrahona mety harahina orana tandrifin-drahona any amin’ny atitany afovoany andrefan’ny Nosy ny alarobia izao, hiitatra any amin’ny atitany atsimo kosa izany ny alakamisy ho avy izao.
Handrahona mitsitokotoko any amin’ny faritra hafa, izay hialohavana zavona ny vao maraina ho an’ny afovoan-tany sy ny ilany atsimo atsinanan’i Madagasikara. Hisy fidinana ny maripana ho an’ny afovoan-tany sy ny morontsiraka atsinanana ny alarobia sy alakamisy ho avy izao. Hiverina hiakatra miandalana kosa izany manomboka ny zoma makany amin’ny faran’ny herinandro.
Mila mitandrina hatrany ny mpamily fiara sy mpitaingina kodiaran-droa ary hanena ny hafainganam-pandeha rehefa ao anaty zavona ny maraina. Manodidina ny 4 – 22 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 16 -35°C ny tolakandro.

Vonjy

Partager sur: