fonjan’i Toamasina : Niofana ny fikambanan’ny vehivavy

Manohy ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo minisitera sy andrim-panjakana isan-karazany ny minisiteran’ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ho fanamafisana ny firaisan-kina sy ny fanatsarana ny soa iombonana. Anisan’ny taratry ny fiaraha-miasa mahomby ny tetikasa niarahana tamin’ny minisiteran’ny Fitsarana amin’ny alalan’ny fitaleavam-paritra misahana ny Fonja ao Toa­masina izay nahafahana nanatanteraka fiofanana fohy sy azo ampiharina ho an’ireo vehivavy ao anatin’ny fikambanana Association des Fem­mes de l’Administration Pé­nitentiaire (APAF). Hanome­zana fitaovana sy fahaiza-manao vaovao ho azy ireo amin’ny fanatsarana ny fiainam-piarahamonina sy ara-toekarena ireo fiofanana ireo. Nanome voninahitra ny lanonana fanolorana mari-piofanana ho azy ireo ny minisitry ny Fampianarana teknika, Raso­loarisoa Marie Marcelline, niaraka amin’ireo manam-pahefana maro.

Ankoatra izay, nihaona tamin’ny tanora ao Toamasina koa ny minisitry ny Fam­pia­narana teknika ny faran’ny herinandro teo. Nihaino sy nandray ireo hetaheta sy fanirian’izy ireo mahakasika ny fiofanana tiany arahina sy ny lalan-tsaina mankany amin’ny hoavy maharitra.

Mitohy hatrany ny ezaky ny minisiteran’ny Fampia­na­rana teknika sy ny fanofanana arakasa amin’ny fanomezan-danja ny tanora amin’ny alalan’ny fiofanana arakasa mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny filan’ny tsena.

Vonjy

Partager sur: