Tonga nitsidika ny kaomisaria foibe Antsiranana ny tale jeneralin’ny ONG Destiny Rescue ny alakamisy 7 aogoditra teo. « Vonona ny hiara-hiasa amin’ny Polisim-pirenena ny fikambanana mba hampahomby ny ady amin’ny herisetra ara-nofo ary indrindra ny famarinana olombelona atao amin’ny ankizy », hoy ny tale jeneralin’ny ONG, Joseph Iskandar. Mandray an-tanana ireo ankizy niharan’ny herisetra, ny fanararaotana isan-karazany, ny fizahantany mamoafady io fikambanana io. Anjara andraikitr’izy ireo ny mamerina ny ankizy any amin’ny fiarahamonina nisy azy. Manampy sy manohana ny ankizy sy ny ray aman-dreniny sahirana ihany koa. Tanjona ny hahafahany manohy ny fampianarana sy manabe ny zanany. Nandray ny tale jeneralin’ny ONG, Joseph Iskandar ny lehiben’ny komisaria Antsiranana, Laingita Benjamin. Izay nisolo tena ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka any an-toerana. Teo koa ny kaomandin’ny Brigade Féminine de Proximité (BFP), ny officier de Police, Pascaline Nicole Monia.
Mino




