Fikambanam-behivavy: Nomena tantsoroka mitentina 29 tapitrisa Ar

Nitondra tohana ho an’ny fikambanam-behivavy ao amin’ny faritra Analanjirofo ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina notarihin’ny minisitra Razafinjato Aurélie. Nomena tantsoroka mitentina 29 tapitrisa Ar ny fikambanana miisa valo hoentiny mampandroso ny fiainan’ny fikambanana sy hampiroboroboana ny fiharian’izy ireo. Nisitraka izany ny fikambanana avy ao Fenoarivo Atsinanana, Soanierana Ivongo ary Vavatenina.
Mifototra amin’ny zaitra, nahandro, fivarotana hazandrano, akoho manatody lava ary fiompiana kisoa ny tetikasa.
Nisy koa ny fampitaovana ireo fikambanam-behivavy miisa 12 misehatra amin’ny tontolo fihariana samihafa, toy ny fambolena, ny fanasan-damba ary ny fivarotan-trondro.
Nampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny fivondronana anaty fikambanana ny minisitra mba hanamora ny fanomezana tantsoroka ho an’ireo manana tetikasa enti-mihary.
Tanjona hatrany ny fampizakan-tena ho an’ny vehivavy mitondra fampandrosoana eny amin’ny fiarahamonina. Tsy ho vesatry ny tokantrano fa ho tena mijoro andrin’ny ankohonana mahaleo tena ara-pivelomana.

Tatiana A

Partager sur: