Ao anatin’izao fialantsasatra izao, matetika tsy maharaka ny fiara fitaterana mampifandray an’Antananarivo sy ny faritra be mpandeha miala sasatra. Manaporofo izany ny fahafenoan’ny famandrihan-toerana tapa-bolana mialoha miainga any amin’ny faritra amin’ireo kaoperativa amin’ireo zotra be mpiala sasatra.
Mampahatsiahy ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) fa fadiana tanteraka ny fanaovana dona miverina ho an’ireo mpitondra fiara. Voakasik’ izany na fiara tsora na ireo taksiborosy.
Loza mitatao ho an’ny aim-bahoaka ny fanaovana dona miverina na familiana ao anatin’ny havizanana sy torimaso. Maro ireo mpamily no matin’ny sitrany ahay ka manao ambanin-javatra ny torimaso ary mikiry mitondra fiara hatrany na dia vizana aza. Tsy tokony handray fiara mihitsy raha tsy ampy torimaso.
Mila miala sasatra 15 mn isaky ny mahavita ora roa na telo eny am-pamiliana. Ilaina ny mpamily faharoa raha mandeha lalana lavitra mihoatra ny 600 km.
Tokony ho sahy hampahatsiahy ny mpandeha raha mandeha mafy loatra miohatra ny tokony ho izy ny mpamily, indrindra anaty lalana mitera-doza.
Fiara tomombana tsara ara-teknika no entina mandeha alavitra. Toraka izany koa ny antontan-taratasy rehetra.
Tatiana A




