Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora : Niresahana momba ny fandraharahana sy ny fahasalamana

Handray anjara amin’ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny tanora (CIJ) faha-12 any New York ny delegasionina malagasy miaraka amin’ny minisitra mpiahy sy ny solontenan’ny faritany enina.

«Ny 24 hatramin’ny 27 septambra ho avy izao izy ireo no hanatrika izany fivoriana lehibe izany », hoy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, omaly, nandritra ny fana­marihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora.
Tanora latsaky ny 30 taona ny 70% ny Malagasy (manome antontanisa 22 tapitrisa) ary natokana hanomezana lanja azy ireo ny Andro iraisam-pire­nena ho an’ny tanora notan­terahina omaly. Teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahama­sina ny hetsika fanamarihana ho an’i Madagasikara, nandritra ny tontolo andro. « Asa eny ifotony ataon’ny tanora ho an’ny fampandrosoana lovain-jafy » ny lohahevitra niton­drana ny fifampizarana niarahana tamin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahan­tena sy ny mpiray ombon’antoka.
Manomboka any an-tokantrano ny asa sahanin’ny ta­nora, hitondra fampandro­soana lovain-jafy. Manana vina izy ireo ary tohanana handray andraikitra hampandroso ny fireneny amin’ny tantsoroka samihafa. Nitondra torohay amin’ny toetra tokony hana­nan’ny tanora mpitarika ny minisitra Abdulah Marson Moustapha, tao anatin’ny adihevitra momba ireo lohahe­vitra mahakasika ny tanora manokana. Nambarany fa anisan’ny toetra ilaina ny fahi­tsiana sy fahamarinana ary ny fahaizana mamondrona amin’ ny zavatra rehetra atao. Name­labelatra ny fanampiana ny tanora vonona handraharaha kosa ny sekretera mpanatanteraka ny tetikasa “Fihariana”, Valerie Zafindravaka. Nola­zainy fa manodidina ny 5 000 ireo tanora efa nahazo fiofanana momba ny fandraharahana avy amin’ny Fihariana izay ampiarahina amin’ny fampiharana avy hatrany ho an’ireo efa manana tetikasa. Eo koa ny fampidirana ny ko­lontsain’ny fandraharahana eny amin’ny CEG.
Voaresaka tao anatin’ny adihevitra ny fahasalaman’ny tanora, indrindra ny mahaka­sika ny fananahana izay mety ho sakana amin’ny fivoarany raha toa ka mitondra vohoka na miroso amin’ny fanambadiana aloha loatra.

Vonjy

Partager sur: