Conseil international des infirmières : Mpikambana faha-141 ny Conim Madagasikara

Niditra ho mpikambana faha-141 eo anivon’ny Filan­ke­vitra iraisam-pirenen’ny in­firmier (Conseil international des infirmières- CII) ny filankevitry ny holafitra nasionalin’ny infirmier eto Madagasikara (Conim). Fanambarana ofi­sialy nataon’ny CII io, tamin’ny alalan’ny filohany, José Luis Cobos Serrano. Ivondronan’ ny fikambanana infirmier lahy sy vavy maneran-tany ny CII. Izy ireo izay manana tarigetra ny ho fampiroboroboana ny asan’izy ireo ary manana ny foibeny any Genève. Name­traka ny maha zava-dehibe ny fandraisana mpikambana vaovao ity tomponandraikitra ity. « Faly amin’ny fidiran’ny infirmier malagasy ao anatin’ny Vondrona ny Vondrona ary manantena fa hitondra fijery miabo sy vaovao ho an’ny asan’ny infirmier izany. Fijery hampandroso ny vina iraisana sy hanatsarana ny politikan’ny fahasalamana », hoy ny fanamarihiny.

« Afaka mirehareha ny in­firmier malagasy fa hitondra anjara biriky lehibe ho an’ny fampandrosoana ny asa rehefa mitambatra amin’ny fikambanana rehetra efa ao anatin’ny CII », hoy ny filohan’ny Conim, Andrianarison Jean Aimé Boto­sera, taorian’ny nidiran’i Mada­gasikara ho mpikambana.

Fivondronan’ny fikambanan’ny infirmier avy amin’ny firenena maro samihafa ny CII, anaty fikambanana 140, ahitana infirmier lahy sy vavy mahatratra 30 tapitrisa maneran-tany. Efa niorina ny taona 1899 ny CII, izay mivoy ny fi­tsaboana manana kalitao ho an’ny rehetra.

Vonjy

Partager sur: