Tanterahina any Taolagnaro, manomboka anio hatramin’ny 20 aogositra izao, ny synaoda lehiben’ny FJKM. Nitsidika amin’ny fomba fifanajana ny governoran’ny faritra Anôsy, Voahary Rakotovelomanantsoa, ny filohan’ny FJKM sy ireo delegasionina miara-miasa aminy.
Naneho ny hatezerany ny Seces nasionaly taorian’ny fanehoan-kevitra nataon’ny tomponandraiki-panjakana ambony iray nanivaiva ny lentan’ny profesora malagasy. Fanimbana sy fanosihosena ny hasim-pirenena ny fanivaivana toy izany, hoy ny Seces. Mitaky fialantsiny ampahibemaso amin’io tomponandraikitra io ny Seces.
Misongadina ny filaminan’ny tanàna ao anatin ’izao ankatoky ny fihaonamben’ny Sadc izao. Hita izany eto Antananarivo sy ny tanàna lalovan’ireo filoham-pirenena, toy ny eny Ivato. Irariana ny hitohizan’ny filaminana na dia aorian’ny fotoan-dehibe aza.




