Lehilahy 28 taona hita faty tao amin’ny fokontany Fenomanana, kaominina Faravohitra, distrika Faratsiho, omaly. Mpandalo no nahatsikaritra ny fisian’io faty io. Niantso ny tomponandraikitra avy hatrany ny fokonolona.
Lehilahy mpisoloky milaza ho mahatafavoaka olona hiasa any Maorisy voasambotry ny polisy tao Antalaha, ny 12 aogositra teo. Nangalany lelavola 5 tapitrisa Ar tsirairay ireo niharan’ny fisolokiana.
Nosamborin’ny zandary ny mpamily taxi-be manary an-dalana teny Anosizato Atsinanana, afakomaly. Tsy entiny hatramin’ny farany ireo mpandeha kanefa mandoa saran-dalana ara-dalàna avokoa. Naiditra am-balam-pamonjana ny fiara.
Notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy mpivarotra rongony tra-tehaky ny zandary tao Soalandy, distrikan’Atsimondrano, afakomaly. Nahitana fonosana miisa 46 teny aminy.




