Hamerana ny fahasimban’ny farihin’Itasy : Natsangana ny rafitra hisahana ny fitantanana mirindra

Natsangana ny taona 2019 ny rafitra hitantana ny farihin’Itasy (Cogeli) hisahana ny fitantanana mirindra ny tahirin-drano avy amin’ny tari-kevitry ny tomponandraikitry ny faritra Itasy fa tohanan’ny faritra Nouvelle Aquitaine (Frantsa).

Tafiditra ao daholo ny mpisehatra rehetra ary rafitra mikaondoha ahitana ny olona ety ifotony mpampiasa ny rano, mpanimba sy afaka mitondra fanarenana ihany koa. Miara-miasa amin’ny Oniversiten’Itasy ny rafitra amin’ny fikarohana sy famatsiana amin’ny antontan-kevitra samihafa ahafahana miroso amin’ny asa ataony.
Tetikasa iray amin’ny fiaraha-miasan’ny faritra Itasy sy Nouvelle Aquitaine (Frantsa) ny fitantanana mirindra ny tahirin-drano mahakasika ny farihin’Itasy, araka ny fanazavan’ny ekipan’ny tonia ara-teknika ny Cogeli, Rakoto­niaina Sylvie. Manana tombony ny faritra amin’ny farihin’ Itasy amin’ny fizahantany sy ny vokatra trondro ary ny fambolena. Tokony hisy akony ho an’ny fampandrosoana ny faritra izany. Taorian’ny fanadihadiana natao, tsapa fa lalim-paka ny fahasimbana satria 1000 t isan-taona ny fasika miditra ao amin’ny farihy ary very 20 % ny velarany, amin’izao fotoana izao.
Misy nosy (ampahan-tany) mitsingevana koa miala sy mikisaka any amin’ny ambany ary hanaovan’ny olona fambolena sy fiompiana trondro eo amboniny. Taorian’ny fana­dihadiana, ny taona 2019 mom­ba ny kalitaon’ny rano ao amin’ny farihy, vokatry ny fampiasana fanafody famonoana bibikely sy zezika simika, niakatra ny tahan’ny phosphate sy nitrate ao anatiny. Ma­nampy trotraka ny otrikaretina avy amin’ny tay miparitaka noho ny fangerena ankalamanjaka mahazo vahana. Maro ny dingana atao hanarenana sy hamerana ny fahasimbana fa mila miara-miasa ny sehatra rehetra: fambolena sy fiompiana, fizahantany, tontolo iainana amin’ny asa fiarovana, raha ny fanazavana ihany.

Vonjy

Partager sur: