Manatanteraka tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana eny amin’ny hopitaly Mahitsy ny Sinoa misionera dokotera, omaly sy anio, izay tarihin’ny lehibeny, Li Xing Xiang. Fizaham-pahasalamana misokatra ho an’ny rehetra ary fizarana fanafody mifandraika amin’ny aretina no hatao mandritra ny roa andro.
Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-50 taona niasan’ny misionera sinoa teto Madagasikara ny hetsika. Hanatanterahana tolotra ara-pahasalamana toy izao avokoa ireo hopitaly efatra efa mpiara-miasa amin’izy ireo, toy ny hopitaly any Sambava, Vatomandry, Ambovombe ary etsy Anosiala.
Anisan’ny nampalaza ny hopitalin’i Mahitsy tany aloha ny fisian’ny dokotera sinoa manam-pahaizana ary mahay mandidy tao an-toerana. Noho ny fandaminana anefa, nifindra etsy amin’ny hopitaly Anosiala izy ireo.
“Fotoana hampahatsiahivana ny mponina manodidina ny mbola fisian’ny hopitaly ny hetsika. Na tsy eo intsony aza ny dokotera sinoa, mbola am-perinasa hatrany ny hopitaly mandray ny marary”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny hopitaly, Loda clément.
Mampiofana ireo dokotera malagasy ihany koa izy ireo hanana traikefa manaraka ny fivoaran’ny teknolojia.
Tatiana A




