«Andao hametraka rafitra maharitra ho laharam-pahamehana ny fampinonoan-dreny» ny lohahevitra itondrana ny fanentanana manodidina ny fanamarihana ny Herinandrom-pirenena ho an’ny fampinonoan-dreny eto amintsika. Izy ity izay mandray ny lohahevitra iraisan’ny firenena maneran-tany. Mbola betsaka ny sakana tsy mahatomombana ny fampinonoana satria 54% (EDS V 2021) ny tahan’ny fampinonoan-dreny tsy misy fangarony eto Madagasikara. Tokony ho ny 74% ny vehivavy miteraka anefa no mampinono amin’ny nonon-dreny mandritra ny enim-bolana voalohany ny zaza, tanjona amin’ny taona 2030. Rafitra maharitra marolafy no tokony hapetraka hanatrarana izany. Eo ny rafitra momba ny fahasalamana eny amin’ny tobim-pahasalamana rehetra hampianarana momba ny fampinonoana raha vao misafo ilay vehivavy. Rafitra momba ny vehivavy miasa sy ny lalàna ary ny adisisika hampitomboana ny fotoana ahafahana mampinono ny zaza. Rafitra amin’ny lalàna momba ny fampinonoan-dreny mifehy ny varotra ireo solon-dronono ary ny fiahiana ara-tsosialy, fiahiana ara-tsakafo ho an’ny vehivavy mampinono.
Manohana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Unicef amin’ny fanofanana ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpanentana ara-pahasalamana (AC) hananana traikefa sy fahalalana manome tohana ny reny mampinono.
Vonjy




