Fifaninanana « Tafan-gilita » : Hiray sehatra amin’ny kalaza ireo 10 tafakatra

Roa andro ho an’ny gitara fotsiny. Anisan’ny lokan’ireo mpifaninana ny hampiaraka talenta amin’ireo andrarezin’ny tendry gilita eto Madagasikara. Ankoatra ny gitara lafovidy miandry ireo voalohany izany.

Willy, Hira, Jizry, Ra­mily, Ny aro, Mika, Joël, Dina, Fabio ary Mikajy. Ireo izy 10 lahy tafavoaka tamin’ny “Prime 4”, an’ilay fifaninanana “Tafan-gilita”. Izy ireo, araka izany, no hiatrika ny dingan’ny famaranana, izay hotontosaina mandritra ny “Festival Tafan-gilita”, ha­tao ny 13 sy 14 septambra izao, ao amin’ny Kianja Barea. “Hampiaraka talenta amin’ireo andrarezin’ny gitara, izay hanaovantsika pao-tsatroka amin’io fotoana io ry zalahy ireo. Na ireo tsy tafakatra aza hisy fandraisana anjara ihany koa, satria efa tena henjana be daholo ireo mpifaninana 16 niatrika ny Prime 4 ireo”, hoy ny nambaran-dRandriamam­pianina Hery, talen’ny “festival” sady mpikarakara ny fifaninanana.
Raha hiverenana ny “Prime 4”, nifampizara ho ekipa nandeha tsiroaroa ireo mpifaninana. Nizara ho Coach kosa ireo mpitsara, ka samy nanana ekipa roa avy. Samy nikononkonona tany, hanome izay tsara indrindra izy ireo, ka tena fampisehoana nahararaka ny ivin’ny mpijery no nitranga. “Tena sahirana dia sahirana izahay. Sady samy mahay no mifanaja ry zalahy, ka izay hira nalefa toa niavaka avokoa”, hoy i Jovin, iray tamin’ireo mpitsara ny fifaninanana.
“Tena mahafinaritra ary efa ela mihitsy no niandrasana ny fifaninanana toa izao. Hita misongadina ry zalahy manan-talenta amin’ny gitara ary mahavelombolo izany”, hoy kosa i Benny, mpikambana ao amin’ny Lôlô sy ny tariny, izay nanatrika ny “Prime 4”. Tsy naharitra fa nandray anjara kely, nanao ilay hira “Miondreha ka mangina” izy sy i Nini Kolibera. Vahiny naneho ny talentany kosa i Ny Antra, iray amin’ireo mpitendry gitara efa tsy fampitaha intsony raha ny talentany. Teo koa i Fara Gloum, nisolo tena ireo vehivavy mankafy ity zavamaneno ity. Ifanihy izay anarana tsy azo kosehina amin’ny tendry gitara sy ny vazo miteny, nitondra hira roa ihany koa. Mba tena hanome fofony ny “festival” izay hitranga any amin’ny Kianja Barea, tsy naharitra fa samy nanao feonkira iray avy koa ireo mpitsara. Toraka izany koa i Vanintsoa sy i Steph Rambi, izay mpanentana kokoa ny toerany mandritra ny hetsika.

Zo ny Aina

Partager sur: