Mozika maroloko. Tsy hita hofaritana mialoha izay hitranga, raha ny mahakasika ny fiarahana an-tsehatra hotontosain’i Inah, Nini Kiaka ary i Mbola Talenta. Hatao anio amin’ny 8 ora alina io, eny amin’ny Résidence Sakay Rouge, Ambohimamory Avarabohitra. Ny azo antoka aloha dia hifototra amin’ny tendry gitara, izay hosahanin’i Mbola Talenta manokana izany. Eo koa ireo hira nosafidian’ny Les Talenta manokana, izay manasongadina ilay feo miavak’i Inah. Ny tena andrasan’ny rehetra kosa dia ilay fampiaraham-peon’i Nini Kiaka miaraka amin’izy mianadahy. Hanaporofoana indray io fa tsy ny rock ihany no hilomanosany fa ny mozika malagasy amin’ny ankapobeny mihitsy. Ireo mpanaraka azy efa mahalala fa mpankafy sady mahafehy ireo hiran’ny Omaly i Nini. Vao mainka miavaka izany anatin’ny fampiaraham-peo, ary tsy vao voalohany no iarahany an-tsehatra amin’i Inah. Ito farany koa anefa mahafehy ny mozika rock ihany koa, ka hivelatra ny hira halahatra mandritra ny fiarahana.
Zo ny Aina




