« Vako-Rock » : Andrasan’ny mpankafy ry Erick Tselatra

Nafana, saingy tsy feno ny fiarahana farany. Tsy afaka niaraka tamin’ireo namany ao amin’ny tarika Tselatra mantsy i Erick, nandritra ilay seho « Rock Mandrakizay », natao tao amin’ny Kianja Barea tamin’ny volana marsa. Nam­panantena kosa anefa i Erick, fa vantany vao mety ny fahasalamany, hihaona amin’ireo mpankafy ao Antsahamanitra izy. Tonga ilay fotoana: ra­hampitso zoma 15 aogositra, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
Hitondra an-tsehatra ny « Vako-Rock » ny tarika Tselatra amin’io. Ilay sonian’ny tarika anatin’ny mozika rock io, nampidiran-dry Erick ny vakodrazana hiharo amin’ny gadona mavesatra. Heno anatin’ireo sanganasan’ny tarika maro izany, indrindra ireo taty aoriana kokoa. Tsy hadinoana anefa ireo hira nahafantarana ny tarika Tselatra, tao anatin’izay 40 taona mahery nisiany izay. Anisan’ireny ny « Bandikely », «Mbola ho avy», « Fitiavako », « Misy  », sns.
«Mozika, kolontsaina ma­roloko. Tongava dia andao hiantoka», hoy i Tita. « Ha­nome ny tsara indrindra, iarahantsika miaina ireo hira nahafantarana ny tarika », hoy kosa ny fampanantenan’i Poun. Eo koa i Pâpatre, Zôzô, ary i Tovo miampy an’i Erick, izay hampiaina ilay « Vako-Rock ». Satria ao anatin’ilay lalantsaina koa ny fampitana sy ny fanohizana ny kanto, hampiaka-tsehatra ny tarika Aiky koa ry zalahy. Mpan­dimby amin’ny mozika mavesatra sady misy mpikambana zanaky ny tarika Tselatra koa ao.

Zo ny Aina

Partager sur: