Mitohy hatrany ny fianarana teatra, ao amin’ny AFT Andavamamba. Misokatra ho an’ireo ankizy 7 hatramin’ny 14 taona ny fiofanana manokana anatin’ny fialantsasatra. Tsy natao ho fialamboly fotsiny anefa, fa hamohazana ny talenta any anatin’ireo ankizy izany. Tsy vitan’izay fa hanampy azy hahatoky tena, hahay mifanerasera amin’ny namana, hanana saina tia famoronana, hahay mandaha-teny, sns.
Nahazo efitrano famakiam-boky i Nosy Varika. Ho rantsamangaikan’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara izy ity, izay notokanan’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, nandritra ny famaranana ny “Festival Sakaleona” teo. Zava-dehibe indrindra ho an’ireo ankizy mpianatra sy ireo mpampianatra izany, satria fotodrafitrasa tsy nisy tao amin’ny distrika. Nojerena ihany koa ireo sehatra hafa mahakasika ny kolontsaina sy ny fihariana nandritra izany.
Misokatra ny eny Anatirova, ny zoma 15 sy sabotsy 16 aogositra izao. Ao anatin’ny fampahafantarana ny fampirantiana vaovao, ao amin’ny rihana faharoan’ny Lapan’i Manjakamiadana mantsy amin’izao. Tsy fiasana ho an’ny besinimaro ireo andro ireo, ka heverina fa fotoana hanararaotan’ireo vahiny mandalo eto Antananarivo, sy ireo rehetra tsy mbola nahita ka liana amin’ireo fampirantiana rehetra. Hikatona kosa ny toerana ny alahady 17 aogositra.




