TSELATRA

Avotra teny am-pelantanan’ny mpaka an-keriny ny zazavavy 5 taona tao Amparafaravola, omaly maraina tamin’ny 4 ora sy sasany. Nitaky 50 tapitrisa Ar tamin’ny fianakavian’ny lasibatra ireo mpaka an-keriny. Nanao izay ho afany namerenana ny zaza lasibatra kosa ny zandary.

Nodarodarohan’ny fokonolona ny mpangalatra iray tratra teny Anosibe, omaly maraina. Za-dratsy, nandrasan’ny olona kendry tohina io mpanao ratsy io ka nivonto tsy nisy namantarana azy ny tarehiny vokatry ny daroka.

Fatin-jazakely hita faty teny Andoharanofotsy, omaly maraina tamin’ny 11 ora sy sasany. Tsy nisy tanana sy tongotra ilany intsony io zaza io no hitan’ny mpitsindroka tao anatin’ny fako.

Partager sur: