Vehivavy no tena maro anisa mivelona (mamoly, mahandro, manenona) amin’ny tenona, raha 2% monja ny lehilahy. Aman’arivony ny mpikambana tao anatin’ny Vovonana, ahitana ny minisitera vitsivitsy, ny faritra ary ireo mpikirakira landy mivondrona. Nihena ny mpikambana taty aoriana vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana. Vokatr’ izay, nihalafo ny vidin’ny kilaon’ny kofehy. Mahatratra 160 000 Ar ny kilao amin’izao fotoana izao, raha 35 000 Ar teo aloha. Misy ireo mpanenona no mivadika mampiasa akora “synthétique” amin’ny tenona. Indroa miakatra ny landy: ririnina sy fahavaratra. Manana karazany roa koa ny any an-toerana : landikely izay ompiana ary hafarana avy any ivelany. Ny landibe kosa tena avy eto Madagasikara. Tena tian’ny mpizahatany ny vokatra azo avy amin’ny fifangaroan’ny landikely sy landibe. Misongadina ny landibe amin’ ny hafanana entiny.
Fikambanana iray ao anatin’ny Vovonana ny Rindran-dandy ao Arivonimamo. Vehivavy avokoa ireo mpikambana ary mananontena sy marefo ny ankamaroany. 30 tokantrano eo ho eo ny mpikambana ary misy olona roa na telo isan-tokantrano miara-manenona, telo andro ny fotoana lany hanenomana lamba lehibe iray. 7 000 Ar isaky ny asa iray ny karama manenona ary mamoaka vokatra 400 isa isan-taona ny fikambanana. Lamban-drazana, akanjo ho an’ny velona, satroka, poketra… Vita amin’ny landy avokoa, ka 60 000 Ar – 500 000 Ar ny lamba, 180 000 Ar ny poketra ary 60 000 Ar ny arotenda.
Nanatontosa: Vonjy A.




