Oniversite Barikadimy sy Chine : Mpianatra 6 nisitraka vatsim-pianarana

Mpianatra enina mianadahy avy ao amin’ny University of Geosciences (Wuhan) sy ny Institut Confucius Toamasina, izay ao Barikadimy ihany ny foibeny, no nahazo vatsim-pianarana handranto fianarana any Chine.
Ny volana septambra ho avy io no efa hanomboka ny fidirana an-tsekoly any an-toerana. Noraisin’ny filohan’ny oniversiten’i Barikadimy, ny profesora, Diny Razanakolona, ireo mpianatra.
Vatsim-pianarana feno avy amin’ny governemanta sinoa, handratoana fianarana mandritra ny 5 taona, any amin’ny Geosciences University Wuhan, any Chine no azon’ireo mpianatra ireo.
Hifantoka indrindra amin’ny fifehezana ny teny sinoa ny herintaona voalohany. Manomboka eo amin’ny taona faharoa kosa dia samy hiparitaka sy hifampizara amin’izay seha-piofanana nosafidiny tsirairay avy izy ireo. Anisan’ny lalam-piofanana horantovina ny momba ny Jeolojia, Siansa sy Teknolojia ary ny Fikarohana harena an-kibon’ny tany. Tsy hifarana kosa ny fandratoam-pahaizana raha tsy ny taona 2030.
Nitarika ireo tanora ho reharehan’i Toamasina hatrany ny dokotera Ravelomanana Fidelis, izay talen’ny Institut Confucius-Toamasina.

Sajo

Partager sur: