Nivaha ny olan’ny famatsian-drano ho an’ny ivontoeram-piofanana ho mpamboly sy mpiompy matihanina (Cafpa) ao Andranovaky Mahitsy. Nahazo lavadrano tsara voatra manaraka ny fenitra amin’ny famatsiana rano fisotro madio ity toeram-piofanana ity, izay natolotra azy ireo omaly.
Fiaraha-miasa tamin’ny Rotary District 9220 no nahazoana ny fotodrafitrasa. Toerana tena mila rano, indrindra amin’ireo fiofanana atao amin’ny maha fianarana mamboly sy miompy azy, ny ao amin’ny Cafpa. Ankoatra izay ny rano ampiasain’ny mpianatra manaraka fiofanana sy ny mpampiofana ao an-toerana, izay mijanona kilasimandry mandritra ny roa taona anarahany ny fiofanana.
Mamaly ny filana fototry ny fiofanana mihitsy, araka izany, ny fahazoana ny rano madio, hoy ny tale mitantana ny ivontoerana, Andrianjakarivony Julia Brigitte.
Lavadrano faha-100 nataon’ny Rotary District 9220 ity vita ao Andranovaky Mahitsy ity. Nanaovana fotodrafitrasa famatsian-drano koa hatrany Ihosy. Efa hatramin’ny taom-piasana 2024-2025 no niainga ny tetikasa famatsiana rano fisotro madio eto Madagasikara nataon’ny fikambanana. Avy amin’ny ezaka ataon’ny mpikambana tsirairay no hanaovana ny asa. Eo koa ireo mpiara-miombon’antoka samihafa.
“Nitondra tolo-tanana betsaka ihany koa ny firenena 7 ao anatin’ny distrika 9220, indrindra ny tao St Denis Alizés”, hoy Randriamanga Marie Françoise, governoran’ny distrika 9220 tamin’ny taona 2024-2025.
Tatiana A




