Cafpa Andranovaky Mahitsy: Manofana tanora matihanina amin’ny fambolena sy fiompiana

Isarihana ny sain’ny tanora ny ifotorany amin’ny fambolena sy fiompiana hampahaleo tena ara-tsakafo an’i Madagasikara. Antom-pisian’ny Cafpa Andranovaky Mahitsy izany hamolavolana tanora ho matihanina amin’ny sehatra ambanivohitra.

Hotanterahina amin’ity herinandro ity ny fanadinana fifaninanana hi­di­rana ao amin’ny foibem-piofanana arakasa momba ny fambolena (Cafpa) etsy Andranovaky Mahitsy. Tanora avy eto amin’ny faritra Ana­lamanga, Itasy, Bongolava ary Betsiboka no mianatra ao amin’ity ivontoeram-piofanana ity, raha ny fanazavan’ny talen’ny Cafpa, Andrianjakarivony Herizo Léa Brigitte.
Andiany faha-9 ireo vao hiditra, hiofana mandritra ny 2 taona. Beazina ho lasa mpandraharaha matihanina, hamelo-maso ny sehatry ny fambolena sy fiompiana eny ifotony. Hahaleo tena ara-pihariana sy hanana ny orinasany manokana. Mianatra momba ny famolavolana tetikasa, fitadiavana lalam-barotra, fiarahana mi­ombon’antoka, fitarihana, se­ra­sera izy ireo amin’izany. Efa mitady mpiara-miasa dieny any anaty fiofanana ireo mpianatra mba hahafahana miainga amin’ny tetikasa, ho am-perinasa avy hatrany vantany vao mahavita fiofanana.
Fampiharana avy hatrany ny fiofanana natao no hitsarana ny mpianatra ao anatin’ny fanadinana ka hahazoana ny mari-pahaizana.
Tanora 20 isan-taona ireo raisina ao aminn’ny ivontoerana. Izay rehetra mahakasika ny fambolena, an-tanimbary sy an-tanety, ary ireo voly fanondrana, ianarana ao avokoa. Miankina amin’ny filan’ny faritra tsirairay ny tolotra. Eo koa ny fiompiana akoho, kisoa, omby, bitro…Efa misy ny fandaharam-piofanana ampiharina manerana ny Nosy, tsy maintsy arahin’ny mpiofana.
Manana olana amin’ny rano anefa ny foibe, izay tena ain’ny fiofanana mihitsy, satria fambolena sy fiompiana no atao. Izany no hisian’ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka mamatsy rano.

Tatiana A

Partager sur: