Mivoaka tsikelikely ny voka-panadinana bakalorea any amin’ny faritra. Efa nivaly izany ho an’ny ao Fianarantsoa. Toraka izany koa ny any Antsiranana. Tsy nisy mpiadina afaka mihitsy na dia iray aza ho an’ny sokajy C tao Antsiranana. Miandry fatratra ny voka-panadinana kosa ny eto Antananarivo.
Olona 446 no tonga nanao fizaham-pahasalamana teny amin’ny hopitaly Mahitsy nandritra ny hetsika fitsaboana maimaimpoana nataon’ireo dokotera sinoa teny an-toerana. Fanafody mitentina 13 600 RMB nozaraina. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny faha-50 taona niasan’ny dokotera sinoa teto Madagasikara ny hetsika.
Misy ny fepetra tsara hofantatra rehefa mandeha teleferika. Tsy mitondra entana mavesatra loatra na mibahana, tsy azo ifohana sigara, tsy mitondra olona mamo, tsy azo terena sokafana ny varavarana, mipetraka avokoa ireo olona ao anaty cabine. Misy camera manara-maso avokoa ny gara…
Namerina nampahatsiahy ny didy folon’ny arolozan’ny fifamoivoizana ny antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT). Maro loatra ny loza niseho vokatry ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ka izany no hanairana ireo mpitondra fiara, kodiaran-droa sy mpampiasa lalana.




