Fotoana nisokafan’ny teleferika ho an’ny daholobe ny asabotsy teo. Nihoatra ny 5 000 sahady ireo olona nitaingina izany, tamin’io andro voalohany io. Vao maraim-be, ny sabotsy sy alahady, efa lavabe ny filaharana teny Anosy fa handeha teleferika. Nahitana sokajin-taona rehetra ireo liana tamin’ity zava-baovao ity. Na ankizy, na tanora, na ray aman-dreny, eny na zokiolona aza, nanandrana nandeha tamin’izany avokoa.
Nahaliana ny maro ny nanandrana ity fitaovam-pitaterana vaovao eny ana habakabaka ity. Namirifiry ny andro ny faran’ny herinandro teo, saingy tsy nahasakana ny olona izany.
Andeha isan’andro ity zotra an-tariby ity manomboka amin’ny 7 ora maraina hatramin’ny 9 ora. Miverina misokatra indray amin’ny 4 ora tolakandro hatramin’ny 6 ora hariva. Ao anatin’ny fotoana tena mahabetsaka ny filana ho an’ny mpiasa mamonjy asa, mpanatitra sakafon’ny marary ary ireo mpianatra io fotoana isokafany io. Natao ho an’ny rehetra ny gara SO1 eo Anosy Carlton sy ny SO5 eny amin’ny La City Ivandry ho an’ny zotra manontolo. Toraka izany ny zotra SO2 eo Soarano Petite Vitesse sy ny SO4 Ankorondrano Trano fitaratra ho an’ireo izay hiakatra na hidina eny antenantenan-dalana.
3 000 Ar ny saran-dalana tokana ho an’ny mpandeha. Afaka amin’ny fitohanan’ny fiara ary haingana kokoa raha hamonjy fotoana.
Tatiana A




