TARATRY ny KANTO

Nahazoana akony tsara ny «Festival Ton­golobe» tao Mampikony. Nahoraka ny tanàna ny faran’ny herinandro teo, indrindra nandritra ny andiam-pampisehoana, ny alin’ny sabotsy sy ny alahady teo, tao amin’ny Kianjabe. Nifandimby tamin’izany ry Lico Kininike, Mad Max, Lewapy, Dadi Love ary i Din Rotsaka. Irariana ho tsaratsara kokoa ny andiany manaraka amin’ny taona ho avy.
Miverina amin’ny lazany i Marion. Taorian’ny « Génération 2000 » teto Antananarivo, namaly ny antsony ireo mpankafy an’i Marion ao Antsirabe. Feno hipoka ny efitranon’ny Arotel Antsirabe, ny alin’ny sabotsy teo. Lany mialoha ny tapakila, ka nihanoka tanatin’ny famerenana ireo hira nampalaza an’i Marion sisa ny rehetra. Hanohy ny fitetezam-paritra izay natombony tany izy, mialoha ilay tena seho goavana sy famaranana ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
Hisy atrikasa hotarihin’i Titan Randria­ma­sindrazana, anio. Etsy amin’ny CGM/GZ Analakely izany, manomboka amin’ny 2 ora. Mazava loatra fa mahakasika ny amponga maroanaka no hifampizaran’ity tanora mpitendry anisan’ny matihanina amin’izao fotoana izao ity. Natao kokoa ho an’ireo mpitendry tsy mbola matihanina sy ireo mpianatra mozika mantsy izany, hanoroana azy ireo ny lalana sy ny paikady isan-karazany tokony hofantatra amin’ny tohin’ny lalana.

Partager sur: