Ho an’ireo sambany handia sekoly : Mila fiomanana ara-tsaina ireo kilonga

Hisokatra ho an’ny ankizy indray ny toeram-pampianarana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2025-2026, ny 8 septambra ho avy izao. Ho an’ireo vao sambany hampiditra ny zanany any an-dakilasy, misy ny fanomanana maromaro tokony hirosoana hampizotra tsara ny taom-pianarana hatrehina.

Manome toromarika ny matihanina amin’ny fampianarana sady mpanorina ny sekolin’ny ray aman-dreny! “6 taona vao tokony hiditra hianatra ny zaza fa fanazarana sy famohazana ny vavahadin-tsaina ny alohan’ izay”, hoy ny mpanolotsaim-pampianarana misotro ronono, Rasoanindrina Marguerite (fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Margo). Mila fanomanana ara-psikolojia ny fidiran’ny mpianatra. Ho an’ireo sambany vao hianatra, ny fa­nomanana ara-tsaina momba ny fisarahana no atao volana maromaro alohan’ny fotoam-pidirana. Seha-piainana roa samy hafa no andalovan’ilay zaza manomboka amin’io vanim-potoana io. Voalohany, ny ankohonana misy ireo olon-tiany rehetra sy ny fomba fiainana ary ny fitaovana sy ny endriky ny trano mahazatra. Faharoa, ny sekoly sy ny fitsipika ao aminy, ny endriky ny toerana, ny reny izay hosoloin’ ny mpanabe, ny iray tampo ho­soloin’ny ankizy mpiara-mianatra tsy mbola mahazatra. Ho fiomanana mialoha, tokony ho tanisaina aminy ny tsara rehetra (mpanabe, ankizy miara-milalao) any an-tsekoly hananany faniriana hanjohy izany toerana izany am-pitokiana. Efa tokony hifanerasera tamin’io sekoly io fotoana ela talohan’ny andro idirany ao voalohany izy. Rehefa tonga ny andro voalohany, mety hifoha alohan’ny fotoana mahazatra azy izy ka mety tsy hazoto ho­mana. Tsy tokony hampiahiahy ny ray aman-dreny izany fa ny “goûter” no atao matanjaka. Aterina hatrany an-tsekoly izy ary ampifankahalalana amin’ ny mpanabe tomponandraikitry ny kilasy misy azy. Ilazana koa izy fa ho avy hitsena azy ianao rehefa mirava.
“Ny fahombiazan’ny vaninandro fidirana no miantoka ny fahombiazan’ny taom-pianarana miaraka amin’ny fitiavan’ny ray aman-dreny manara-maso akaiky ny fianarana ary ny fampitana manara-penitra ataon’ny mpanabe any an-tsekoly”, hoy ny tolo-keviny.

Vonjy

Partager sur: