Hiditra an-tsekoly ny mpianatra afaka iray volana. Misy ireo ankizy tsy te hiverina any intsony noho ny herisetra nahazo azy tany am-pianarana. Tsy voatery ho herisetra ara-batana fa mety ho ara-tsaina vokatry ny fitenitenenana azy, fandrabirabiana, fampitahorana, fanambaniana…
Misy mpampianatra manao izany herisetra ankolaka izany, mety tsy am-piheverana na fanahy iniana fa toa mandeha ho azy. Eo indrindra koa ny samy mpianatra, izay mifamely noho ny antony maro, toy ny fialonana, fifaninanana, fankahalana…
Mitaky fanabeazana miainga ao an-tokantrano sy eny anivon’ny fikambanana anefa no hanefena ny ankizy tsy hanao herisetra amin’ny manodidina azy. Toraka izany koa ny famolavolana ny toe-tsaina mahay miatrika ireny herisetra sy fahasahiana mijoro manohitra izany.
Zava-dehibe ny fahatokisan-tena ao amin’ny ankizy. Hahafahany misedra zavatra maro izany. Manampy azy hijoro amin’ny maha izy azy. Ho sahy hitoroka raha misy herisetra mianjady aminy na ny manodidina azy.
Tsy tongatonga ho azy anefa ny fahatokisan-tena fa tena miankina betsaka amin’ny fitaizana.
Tatiana A




