Fampiasana kodiaran-droa : Ampitomboina ny fahamailoana eny an-dalana

Mitombo isan’andro ny mpampiasa kodiaran-droa eto an-dRenivohitra. Ambony ny ambana amin’ny loza ho an’ izy ireo, noho ny tsy fisian’ny fiarovana na tsy fahampian’ izany. Manafatrafatra ny An­tokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) ny amin’ny tokony hampitom­boana ny fahamailoana.

Ho an’ireo mpitondra ko­diaran-droa, ilaina ny mianatra sy maka taratasy fahazoan-dalana mamily kodiaran-droa. Mila mahay mampihatra ny lalàna mifehy ny fifamoivoi­zana izay norantovina tany amin’ny sekoly mampianatra mamily fiarakodia izy ireo. Tokony hampiasaina ny fitaovana fiarovana manokana amin’ny loza, toy ny aroloha manaraka ny fenitra sy ny pataloa fiarovana raha misy fianjerana mafy….
Fadiana tanteraka ny manao taingin-telo na mihoatra, ny mandeha mafy, ny misisitsi­sika na misongona amin’ny ilany havanana. Fa indrindra koa ny manao fisongonana tsy am-piheverana. Fadiana ny alikaola satria tsy afaka mia­raka amin’ny familiana izy io.
Lasa fitaovam-pitaterana mahazatra ny olona an-tanàn-dehibe ny moto, taxi-moto sy ny taxi-bisikileta. Saika manao io asa io avokoa ny ankamaroan’ireo manana izany fitaovam-pitaterana izany.
Tafiditra aty anaty tanàna be olona mivezivezy mihitsy ireny fitaterana ireny ka zary lasa loza mitatao ho an’ny mpampiasa lalana.
Mahavonjy ny maika kosa anefa izy ireny saingy tena mila fahamailoana tanteraka satria ain’olona no entina.

Tatiana A

Partager sur: