Itaosy : Voasambotra ilay mpiambina

Tratran’ny zandary ny mpivady, mpiambina tanàna, namaky sady nangalatra ny entan’ny mpampiasa azy tao Ambohima­mory Itaosy, omaly. Miara-miasa ao amin’ny tanàna iray izy mivady ireo ka mpiambina tanàna rangahy. Nanararaotra ny tsy naha tao ny tompon-trano izy mivady ka nalainy ny fitaovana toy ny fatana fampiasa amin’ny gaz. Nahita olona hividy avy hatrany izy ireo, saingy nitady hirika namoahana ny entana. Mody niantso olona ivelan’ny tanàna haka izany. Nambaran’ izy ireo fa mpangalatra tampoka io olona io. Nodarodarohany sady nambarany fa nikasa haka ny fatana tao amin’ny mpampiasa rehefa tratra ny teti-dratsin’izy mivady. Nofandrihany tsotra izao, araka izany, ilay rangahy tsy nahalala na inona na inona afa-tsy hibata ny entana. Naratra mafy rahateo vokatry ny daroka nataon’izy mivady saika hangalatra io lehilahy io. Nataon’ny zandary ny famotorana. Tompon’antoka tamin’ny famoahana ny entan’ny mpampiasa azy izy mivady. Nitoroka ny olona mpandray sy mpividy ny entana halatra izy ireo avy eo.

Tsiferana R.

Partager sur: