Tovovavy iray 17 taona tratra nangalatra finday tetsy Anosibe, omaly atoandro. Nijery finday hovidina teny amin’ny sisin-dalana izy. Nalainy ny finday iray tamin’ireo namidy ka natsofony tany anaty poketrany. Gaga ilay mpivarotra fa banga iray ireo finday. Natao ny fisavana ary hita tany anaty entan’io tovovavy io izany. Tezitra ireo mpivarotra ka nikasi-tanana io tovovavy io.
Fihinanana antsantsa. Olona miisa efatra narary tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana antsantsa, afakomaly, tany Foulpointe. Nentina notsaboina teny anivon’ny hopitaly avokoa izy ireo taorian’ny tranga. Manentana ny rehetra ny tomponandraikitra mba hitandrina amin’ny sakafo hohanina hisorohana ny loza.
Nidoboka vonjimaika am-ponja, afakomaly, ireo olona roa nisandoka ho mpiasan’ny Jirama ao Antsirabe. Nilaza ho afaka mampiditra jiro ao anatin’ny iray volana izy ireo. Nitaky vola 300 000 Ariary amin’ny tokantrano manodidina ny 50 isa izy ireo ho saran’izany. Natao ny vela-pandrika ka izao voasambotra izao.
Lasan’ny dahalo ny omby miisa roa tao amin’ny fokontany Vatolaivy, kaominina Arivonimamo II, omaly tamin’ny 3 ora tolakandro. Natao ny fanarahan-dia saingy taolana sisa no hita teo avaratry ny fasana Ambohipeno, kaominina Arivonimamo II. Lasan’ireo jiolahy ny ampahan’ny hena, ary najanony teo izay tsy zakany.




