Hisitraka ny fanohanan’ny japoney ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara. Sekoly fanabeazana fototra miisa 13 000 no hahazo tombony amin’izany.
Nohamafisana nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, sy ny solontenan’ny tetikasa Tafita Jica, Odawara Kosuke, omaly, ny fiaraha-miasan’i Japon sy i Madagasikara amin’ny sehatry ny fanabeazana.
Mifototra amin’ny fanatsarana ny lentam-pahaizan’ny mpianatra eny anivon’ny sekoly fanabeazana fototra ny tetikasa. Hisitraka ny fampiharana izany ny sekoly miisa 13 000, anatin’ny faritra 13, manerana ny Nosy.
Raha ny tombana amin’ny toerana efa niasan’ny tetikasa, misongadina kokoa ny fahaizan’ny mpianatra ao amin’ny sekoly. Nahitana vokatra maherin’ny 36% mihoatra ny teo aloha ny fahaiza-manaon’ny mpianatra amin’ny taranja fototra, toy ny vakiteny sy ny kajy. Tsara ny vokatra. Manantena ny tomponandraikitra fa hisy fiantraikany tsara hatrany amin’ny fampiakarana ny lentam-pahalalana izany.
Anisan’ny tafiditra anatin’ny tetikasa koa ny fametrahana ny Feffi manerana an’i Madagasikara. Toraka izany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo vondron’olona ifotony amin’ny fitantanana ny sekoly sy ny fanatsarana ny fanabeazana.
Hisy ny solontenan’i Madagasikara hanatrika ny fihaonana mahakasika ny fampidinana ny tahan’ny fahantrana amin’ny fampianarana sy ny fanabeazana izay atao any Japon, manomboka rahampitso.
Manamafy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny fanatsarana ny fanabeazana ho an’ny taranaka malagasy i Japon sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Tatiana A




