TSELATRA

Raim-pianakaviana iray hita faty tao amin’ny tetezana Amboasary, fokontany Tsinjony, kaominina Behenjy, distrikan’Ambatolampy, omaly. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy teny aminy. Noraisin’ny tomponandraikitra an-tanana ny fikarakarana ny razana.

Nitondra ny teny fankasitrahana ny ekipan’ny polisim-pirenena noho ny fahatanterahan’ny fivoariamben’ny Sadc tamim-pilaminana, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Controleur général de police, Rako­toa­rima­nana Herilala, teny Andohatapenaka, omaly.

Ankizilahy 13 taona notafihan’ny jiolahy ary saika nalain’izy ireo ny voamasony saingy tafatsoaka tao amin’ny kaominina Fotivolo, distrikan’Ankazoabo, faritra Atsimo Andrefana, ny faran’ny herinandro teo. Tafandositra io ankizy io ary tsy azon’ireo mpanao ratsy.

Zazalahy 11 taona avotra soa aman-tsara teny am-pelantanan’ny mpaka an-keriny, tao Antanimora, distrikan’i Mampikony, omaly. Nalain’ny olon-dratsy ny talata 19 aogositra teo io zaza io ka nitakin’ireo mpaka an-keriny lelavola 13 tapitrisa tamin’ny fianakaviany. Nataon’ny mpitandro filaminana hazalambo ireto farany.

Partager sur: