Taom-pianarana 2025-2026 : CEG 1 747 misitraka ny tetikasa “Eager”

Nampahafantarin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ireo CEG miisa 1 747 misitraka ny tetikasa “Eager” ho amin’ity taom-pianarana 2025-2026 ity. Miparitaka amin’ny Cisco 68, anatin’ny faritra 16, ireo sekoly voakasiky ny tetikasa dingana voalohany.
Tanjona ny hisitrahin’ny faritra hafa izany tetikasa izany amin’ny taom-pianarana manaraka.
Anisan’ny fanohanana lehibe entiny ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ireo zatovovavy T6, T7 ary T8 eny anivon’ireo sekoly voafantina.
Entanina ireo ray aman-dreny amin’ireo toerana voakasiky ny tetikasa mba hampiditra ny zanany vavy hanohy fianarana eny amin’ny CEG mba hisitraka izany tohana izany.
Maimaimpoana, tsy mandoa vola amin’ireo karazana fandraisan’anjaran’ny ray aman-dreny mahazatra ireo zatovovavy ao anatin’izany.
Fampirisihana ireo ankizivavy hianatra sy hahavita ny ambaratonga faharoa fototra ny tetikasa. Misy ireo ankizivavy voatery mijanona amin’ny fianarana aorian’ny fahazoana ny CEPE noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny ka ho azy ireo indrindra ny tohana.

Tatiana A

 

Partager sur: