Tetikasa « Kopakelatra » : Tavoahangy plastika 2,6 taonina voaangona

Tsy fialamboly sy fampisehoana fotsiny ny « Star Tour ». Fotoana hanaovan’ny Star hetsika ara-tsosialy, tafiditra anatin’ny Fandraisana andraikitra ara-piarahamonina (RSE) izay voiziny ihany koa izany. Iray amin’ireny ny tetikasa « Kopakelatra », izay na­tao hanangonana ireo tavoahangy plastika, mba hahodina ho lasa vokatra hafa indray. Nanomboka tany amin’ireo fokontany maro mponina, toa an’i Tsararanosy, Antanima­sa­ja ny fanangonana ireo fako plastika ny 14 aogositra, izay nitohy teny amin’ny torapasik’i Maroala, Petite Plage ary ny Grand Pavois izany hatramin’ny alahady 18 aogositra teo.
Rehefa natotaly, nahatratra 2,6 taonina ireo tavoahangy plastika voaangona nandritra ireo 5 andro ireo. Ny andron’ny sabotsy16 aogositra fotsiny no nahaangona 50 gony ireo ekipa. « Tsy fanangonana tavoahangy plastika fotsiny ny tetikasa, fa fanentanana ny mpiara-monina ho an’ny fahadiovana ihany koa. Ampahafantarina azy ireo ny voka-dratsin’ny fako plastika, andaniny. Ampahalalana azy koa anefa ireo vokatra azo avy amin’ny fanodinana azy ireny, sy ny antony tokony hametrahana ireo tavoahangy eny amin’ireo baka Kopake­latra », hoy ny nambaran’i Fa­nou Raveloarison, tomponandraikitra ao amin’ny Star.
«Hahodina ho lasa kifafa plastika, tavim-boninkazo, pavé, sns, izy ireny.

Zo ny Aina

Partager sur: