Notanterahina tao amin’ny efitranon’ny Dren Matsiatra Ambony, tamin’ity herinandro ity, nandritra ny roa andro, ny fivoriambe nasionalin’ny fanabeazana ho amin’ny fiaraha-miaina mirindra eny anivon’ny sekoly (EVH). Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny UNFPA izy ity.
Nisy fifanakalozan-kevitra mahakasika ny lohahevitra fototra manodidina ny EVH, toy ny herisetra mahazo ny ankizy, ny vohoka eny an-tsekoly, ny fijoroana vavolombelona mahakasika ny zava-misy eny ifotony, nataon’ireo mpandray anjara. Noresahina koa ny tahirin-kevitra fototra nasionaly ahafahana mandrindra ny fanatanterahana ny fandaharanasa eny anivon’ny sekoly, ny lalàna fototra nijoroan’ny EVH, ny fanazavana mahakasika ny lalàn’ny fiaraha-miasa.
Tanjona ny hampitovy ny “langages” ampiasaina ho an’ireo mpisehatra rehetra eo anivon’ny EVH, hanamafisana ny fandrindram-piaraha-miasa efa misy eo amin’ireo mpisehatra.
Foto-kevitra ijoroan’ny minisitera ny tsy fanaovana firaisana ara-nofo raha mbola mpianatra fa kosa mampahafantatra azy ireo ny fahalalana siantifika rehetra araka ny salan-taonany avy.
Nandray anjara tamin’ny fanentanana ny ekipan’ny EVH. Nizara “kit EVH” sy nampianatra azy ireo ny fadim-bolana izy ireo. Anisan’ny nisitraka izany ireo ankizy manana fahasembanana nandray anjara tamin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly.
Vonjy




