TSELATRA

Ankizilahy 12 taona hita faty efa tsy nisy loha intsony tany Betroka, tokony ho 20 metatra andrefan’ny RN13, omaly. Tsy misy mahafantatra ity maty ity hatra­min’izao ary mikarakara ny razana hatreto ny fokonolona any an-toerana. Efa misokatra ny fanadihadiana momba io raharaha io.
Vehivavy iray hita faty teo amin’ny lalana fia­karana hiditra ny Karting Imerintsiatosika, afakomaly hariva. Nalefa eny amin’ny tranom-patin’ny CSBII Imerin­tsiatosika izy taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo azy.
Vehivavy iray mpiala sasatra saika lasan’ny onjan-dranomasina tany Masiakandrongo Foulpointe, afakomaly tamin’ny 11 ora maraina. Nilalao ranomasina izy ary nosintomin’ny onjan-drano. Nifarimbona nisintona azy ny mpanjono sy ny zandary any an-toerana.
Manoloana ny firongatry ny kaikitry ny alika romotra, miroso amin’ny famonoana ireo alika mirenireny ny tomponandraikitra any amin’ny distrikan’i Boriziny, faritra Sofia, nanomboka omaly.

Partager sur: