Efa tena tsy fidiny vao mankeny amin’ny hopitaly ny marary kanefa tonga eny, mbola maro koa ny zavatra miandry sy ny tsy fahatomombanana. Malaza ratsy ny fandraisan’olona eny amin’ny hopitaly ary tena mampikolay ireo marary sy ny fianakaviana. Mitondra fanazavana ny tomponandraikitra ary vonona ny hitondra fanarenana.
Mampitaraina ny olona ny fahasarotana mandeha eny amin’ny hopitalim-panjakana. Fanavakavahana, fanilikilihana, fahakizintinana, avonavona…. Toetra asehon’ ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny dokotera eny amin’ny hopitalim-panjakana ireo. Miteraka alahelo sy hatezerana ho an’ny marary sy ny fianakavian’ny marary manatona hopitaly izany.
Nitondra fanazavana ny tomponandraikitra avy ao amin’ny HJRA, CHUGOB ary ny CHUJRB manoloana ireo fanakianana mavaivay amin’ny lesoka miseho eny amin’ny hopitaly.
Antony nametrahana ireo mpiasa voaofana handray olona eny amin’ny hopitaly (IAO) io fitarainana io. Nahazo fiofanana manokana amin’ny fandraisana ny olona tonga eny amin’ny hopitaly izy ireo.
Teo koa ny mpiasan’ny fahasalamana manomboka any
amin’ny mpibata marary, mpamafa trano, mpandraharaha sy ny dokotera izay nomena fiofanana amin’ny fanatsarana ny fandraisana ireo marary.
Mendrika ny hitovy ny fandraisana ny olona rehetra ao
amin’ny hopitaly na mahantra na mpanakarena, na lahy na vavy, na olon-tsotra na manam-pahefana. Ho henjana ny fanitsiana hatao sy ny sazy miandry ireo mbola manivaiva ny marary.
Ho an’ny CHU GOB na ny hopitaly fiterahana Befelatanana ambany, nanazava ny tale, ny profesora Randriambololona Domoina Malala Aurélie, fa mahatsiaro ho menatra sy malahelo ary nifona manoloana ny fanao tsy mendrika ataon’ny mpiara-miasa. Fitsaboana manaja ny maha olona no tena voizina amin’ izao fotoana. Misy ihany ny mpiara-miasa tsy mampihatra izany ka anaovana ezaka.
Tsy mila mifidy rasazy na dokotera manokana rehefa hiteraka ao Befelatanana. Matetika manao ho tsara karakara kokoa ilay marariny ary manao ho ankilabao ny hafa ireny rasazy alaina manokana ireny ka mampisy tombo sy hala eo amin’ny samy mila fikarakarana. Any amin’ny “caisse” ihany no mandoa vola fa tsy mandoa vola amin’ny dokotera na rasazy.
Ny CHU JRB na hopitaly Befelatanana ambony indray dia tarihin’ny tale Dr Rakotovao Luc. Miainga eny amin’ny fidirana ny fifantenana ny marary arakaraka ny sokajin’ aretina sy ny filana vonjy aina maika. Mandray ireo aretina tsy ilana fandidiana ny hopitaly. Manana ny dokotera manam-pahaizana manokana ity hopitaly ity. Efa nandraisana fepetra ireo dokotera na mpiasan’ny fahasalamana maka vola manokana amin’ny marary na manao fitiliana antsokosoko toy ny fitiliana diabeta na ECG amin’ny anarany manokana. Efa manana ireny fitaovana ireny ny hopitaly amin’izao fotoana ka sitrahin’ ny marary mila izany.

Malaza ratsy ny hopitaly HJRA
Anisan’ny hopitaly malaza ratsy ary nahazo fanakianana mavaivay ny hopitaly HJRA. Miaiky ny tsy fahatomombanana misy ny tale mpisolo toerana, Rakotonaivo Judical Mamisoa, ary nanazava fa anisan’ny tsy ampy ny fifampiresahana amin’ny marary sy ny dokotera. Tsy ny dokotera rehetra anefa no ratsy fa misy vitsivitsy mety tsy mahay mandray marary ao. Tsy ampy ny fifandraisana sy ny fanazavana eo amin’ny marary sy ny dokotera ka mahatonga ny fahasorenana. Afaka manatona ny tomponandraikitra raha misy ny fitarainana.
Matetika, matahotra ny ain’ny marariny ny fianakaviana ka tsy sahy mitaraina mandritra ny fitsaboana. Mandritra ny fotoana itrangan’ny tsy fetezana mihitsy anefa no tokony hiteny mba hahafahana misoroka sy mitady vahaolana haingana, raha ny fanazavan’ny tale.
Mampitaraina ireo mitondra marary ao amin’ny HJRA ihany koa ny fanafody tsy hita ao amin’ny farmasia kanefa amidin’ireo dokotera na mpiasan’ny fahasalamana sasany. Kolikoly no dikan’izany raha ny fanamarihan’ny tomponandraikitra ka mila sahy mitoroka.
Amin’ireo hopitaly dia ny avotr’aina no tsy maintsy atao voalohany ka misy ireo trangan’aretina mila fandraisana an-tanana maika mba tsy hahafaty ilay marary ary ny fanazavana izany matetika no tsy vitan’ny dokotera ka miteraka hevitra hafa amin’ireo mpitondra marary eny amin’ny hopitaly.
Nanatontosa : Tatiana A




