Mitohy hatrany ny fiofanana ao amin’ny faritra Androy, ao anatin’ny “Fijery hafa”. Tanterahina miaraka amin’ny Fond d’intervention pour le développement (Fid) ny hetsika. Natao manokana ho an’ireo vehivavy sy renim-pianakaviana any amin’ny distrikan’Antanimora ny fiofanana ka ao anatin’izany ny kaominina Antalatanosy sy Marovato Befeno.
Mifantoka amin’ny fahaiza-manao azo hampiharina sy ilaina andavanandro, toy ny fanamboarana sezabory, fanaovana mofomamy, fandrariana ary fanjairana ireo fiofanana atao.
Tanjona ny hanampy ireo vehivavy sy renim-pianakaviana hahazo fahaiza-manao vaovao. Hanamafy ny fidiram-bolany amin’ny alalan’ny asa tanana sy varotra indrindra koa, ary hampiroborobo ny fahaleovantenany sy ny anjara toerany eo amin’ ny fiarahamonina. Manamafy ny finiavany hitondra vahaolana maharitra amin’ny alalan’ny fiofanana mifanaraka amin’ny tena filan’ny fiarahamonina sy ny tsenan’ny asa ny minisitera.
Vonjy




