Laboratoire Leader: Hanampiana ny rehetra misehatra amin’ny tontolon’ny fikarohana

Notokanana afakomaly ny Laboratoire de recherche : Leader (Laboratoire d’études appliquées pour le développement et de la recherche) eo anivon’ny sekoly ambony ESDES. Dingana irosoana amin’ny fenitra iraisam-pirenena izy io. “Ahafahan’ny mpi­anatra, mpampianatra mpikaroka na ireo rehetra misehatra eo amin’ny asa fikarohana hanaovana ranty iraisam-pirenena izy io”, hoy Manjaka Rakoto David, talen’ny sekoly. Misy vovonana maro ao ana­tin’io laboratoara io. Hame­trahana ny anaran’ireo mpikaroka ho fantatra manerana an’izao tontolo izao. “Fano­hanana ny tanora malagasy rehetra izay eo anivon’ny fikarohana handeha lavitra kokoa sy ho fantatra eo amin’ny tontolon’ny iraisam-pirenena ny antony nananganana io laboratoira io”, hoy ihany izy. Ankoatra ny fikarohana, hahazo sehatra ao ihany koa ny asa soratra rehetra, ny horonantsary, ny lahatsoratra sy ny maro hafa.
Ankoatra izay, “manampy ny mpianatra hahazo ny laharana antsoina hoe: DOI (Digital Object Identifier) ihany koa izy io. Voasoratra any amin’ny angon-kevitra iraisam-pirenena ny anaran’ny mpianatra iray manana izany. Tanjona ny hahatrarana sy hametrahana ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eo anivon’ ny firenena iray manontolo”, hoy kosa ny filoha mpanorina ny sekoly. Mpikambana ao anatin’io laboratoira io avokoa ny oniversite 100 lehibe sy sangany indrindra maneran-tany. Tsy maintsy handalo sy ho afaka aparitaka ao anatin’ny laboratoara io ny boky fikarohan’ny mpianatra tsirairay eo anivon’io sekoly io, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Mino

Partager sur: