Anisan’ny tetikasa novolavolain’ny mpianatra L3 ao amin’ny mention éléctronique eny anivon’ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona ny fianarana mamily fiarakodia ivelan’ny fiara. Ahitana ireo fitaovana rehetra ilaina izay hifehezana ny familiana ny prototype vitan’ny mpianatra dimy mianadahy ary naranty tao anatin’ny hetsika «Hairanty éléctronique» teny Soarano.
Ankizy 90 zanak’ireo reny mananotena avy
amin’ny fokontany Andrefan’i Mananjara, Ambohibarikely, Fiadanana 3N no nahazo kopia faobe maimaimpoana. Antoka hidiran’ny ankizy an-tsekoly ny fananana kopia nahaterahana, indrindra amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao.
Nanaitra ny mponin’Antananarivo ny orambe, omaly. Nisy kotro-baratra sy havandra mihitsy izany tamin’ny toerana sasany. Tsy nanam-po izany ny mpiasa nody hariva ary betsaka ireo lena teny an-dalana. Nisongadina be koa ny hafanana tampoka omaly rehefa avy namirifiry tamin’ny fiandohan’ny herinandro.
Vokatry ny ora-nikija, omaly, maromaro ireo toerana misy rano miandrona manelingelina fifamoivoizana sy fivezivezen’ny mponina any anaty tanàna. Tsy mbola anaty fahavaratra i Madagasikara, maro ny fanarenana mbola azo atao mialoha ny hahatongavan’ny tena oram-pahavaratra.




