TSELATRA

Lehilahy iray nitondra kodiaran-droa, naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tetsy Tanjombato, omaly hariva. Nanao taingin-droa ary nitondra ny zanany lahy kely izy io tamin’izany. Nianjera ny moto notengainan’izy ireo ka niteraka ny loza. Vokany, naratra mafy ilay raim-pianakaviana raha toa ka tsy naninona kosa ny zanany.
Mpianaka avy nivavaka voafokan’ny kodiaran-droa tetsy Analakely, omaly maraina. Vokatry ny tsy fitandre­man’ilay mpitondra kodiaran-droa no nahatonga ny loza. Satria, tao anaty lalana fiampitan’ny mpandeha tongotra no voadoana izy mianaka. Naratra vokatry ny dona nahazo azy izy mianaka.
Nahitana taolam-paty tamin’ny gony manoloana ny tranon’ny lehiben’ny distrika tany Antanambao, afakomaly. Nahazo antso mahakasika izany ny kaomisaria ao Mananara Avaratra ka nijery ny zava-misy. Voamarina fa taolam-patin’olombelona ireo hita ireo. Toarian’ny fanadihadiana, nentina any amin’ny BMH avy koa izany. Mbola tsy fantratra ny tompon’antoka tamin’ny fangalarana sy nametraka ireo taolam-paty ireo.
Vehivavy iray 68 taona, hita faty nisy nandevina anaty fasika teo an-tokotanin’ny tranony, tany Mahambo Fenerive-Est, omaly maraina. Fantatra fa nisy namono izy ary nalevin’ireo olon-dratsy. Mipetra-drery amina trano iray izy ary efa tsy hita nanomboka ny 12 aogositra lasa teo.

Partager sur: