Antananarivo : 38 618 ireo nahazo ny diplaoma bakalorea

Nivoaka ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny foibem-panadinana ny valin’ny fanadinana bakalorea ho an’ny faritanin’Antananarivo. Afaka nojerena tamin’ny ala­lan’ny finday koa izany vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny orinasam-pifandraisana telo. 47,49% ny taham-pahafahana ka 38 618 ireo nahazo ny di­plaoma bakalorea hirosoana amin’ny fampianarana ambony. Manerana ny Nosy, 112 794 ireo mpiadina afaka soa aman-tsara.
50,73% ny taham-pahafanana nasionaly tamin’ity taona ity. nidina ho 49,59% ny taham-pahafahana ho an’ny fam­pianarana ankapobeny raha 58,01% izany ny taona 2024. Nihena koa ny taham-pahafahana ho an’ny sokajy teknika satria 72,65% ho an’ity taona ity raha 74,58% ny taon-dasa. Nisongadina ny sokajy C tamin’ ny taham-pahafana 72,30% sy ny sampana teknika 72,65%. Ny sokajy S kosa no manana taha ambany indrindra 43,37% raha mitaha amin’ny sokajy rehetra hafa.
Isaky ny faritany kosa, Ma­hajanga no voalohany amin’ny taham-pahafahana bakalorea 2025, mahatratra 59,77% ny taha, manaraka i Fianaran­tsoa 57,98% ary Toamasina ny fahatelo 55,37%. Antsira­nana no manana ny taha ambany indrindra 41,79%.
Efa maro ny hairanty momba ny fampianarana ambony ahitana ny sampam-piofanana samihafa eny amin’ny oniversite sy ny sekoly ambony tsy miankina azon’ny mpianatra tsidihina hanampy amin’ny torohay.

Vonjy

Partager sur: