INDRAY MIJERY

“Rentrée Mifampitsinjo”, Hetsika iray maneho ny fifanampiana sy firaisankina hanamaivanana ny vesatra iainan’ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra izao izy ity. Hisitraka izany koa ireo faritra manerana ny Nosy. Hatao ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 30 aogositra hatramin’ny 1 septambra ho avy izao, izany. Misitraka fihenam-bidy hatramin’ny 50% amin’ny fitaovam-pianarana manomboka amin’ny garabola ka hatramin’ny kilasy famaranana ireo tonga manjifa eny an-toerana.

45,78% ny taham-pahafahana bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny teto Antananarivo, raha 70,32% ny taha ho an’ny sampana teknika. Ny sokajy C no nitana ny laharana voalohany amin’ny taham-pahafahana, 67,09%. Namiratra ny sokajy siantifika.

Lafo ny vidin’ny voasary grefy eny an-tsena, amin’izao fotoana izao. Tafakatra 9 000 Ar ny iray kilao. Ny mananasy no mitobaka, ka 2 000 Ar ny iray, arakaraka ny habeny, 5 000 Ar kosa ny pastèques. 2 000 Ar ny zavoka iray satria fotoana tsy fisiany intsony izao. Ny akondro dia jifaina manodidina ny 3 000 Ar eo ny kilao.

Partager sur: