Mampihena ny takaitra ny fananana fahaizana mamolavola izay miantoka ny fahavononana rehefa misy voina. Ilaina koa ny fanaovana fanazaran-tena.
Tanterahina mandritra ny roa andro, eny Ankorondrano, nifarana omaly, ny atrikasa fanamafisana ny fahaizana mamolavola sy miantoka ny fahavononana amin’ny vonjy taitra. Ny fandrindrana momba ny fanazaran-tena araka ny fomba fiasa izay iarahan’ny Pam sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny BNGRC miasa no atao amin’izany. Mandray anjara ireo mpiantsehatra maro avy amin’ny fanjakana sy avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro. Mamaly ny fitakiana avy amin’ireo manampahefana misahana ny fitantanana voina ao amin’ny vondrona Sadc ny tetikasa momba ny fiomanana an-tanàn-dehibe izay mikendry ny hanamafy ny fahaiza-miatrika vonjy taitra amin’ny alalan’ny fanaovana fanazaran-tena famerenana toe-javatra.
Ahafahan’ny mpandray anjara nasionaly sy ny mpiara-miombon’antoka rehetra mampihatra ary manamafy ny fahaiza-manaony amin’ny famaliana ny vonjy taitra an-tanàn-dehibe ny fanazaran-tena natao. Amin’ny alalan’ny fanazaran-tena amin’ny loza an-tanàn-dehibe no hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sampandraharaham-panjakana, hanomezana famaliana haingana, mahomby ary voarindra tsara anatin’ny hamehana.
Tanjon’ny atrikasa ny hitondra vokatra azo tsapain-tanana sy voarafitra miaraka izay hametraka fototra ho an’ny fanazaran-tena feno fahombiazana. Misy ny dingana fiomanana mankany amin’ny fampiharana ny fanazaran-tena araka ny fomba fiasa. Eo koa ny fampivondronana ireo mpandray anjara fototra avy amin’ny governemanta sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana. Manampy ireo ny fampifanarahana ny fanazaran-tena amin’ny toe-javatra misy eto an-toerana sy ny fampiharana ary fifanakalozan-kevitra amin’ny alalan’ny asam-bondrona.
Vonjy




