LTP Alarobia : Nampiseho ny zava-bitany ny mpianatra

Tontosa tao amin’ny LTP Alarobia ny varavarana misokatra andiany faharoa natokana ho an’ny fiofanana momba ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Vokatry ny fiofanana nifandimby, afaka nampiseho mivantana ny zava-bitany ireo mpianatra. Nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Raso­loarisoa Marie Marce­lline, izay nankasitraka ny talen’ny Lycée téchnique professionnel Alarobia. Naneho koa izy ny fankasitrahany ho an’ireo mpiara-miombon’antoka, indrin­dra ny Institut européen de coopération et de développement (IECD) noho ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana natolony. Nanamarika ny minisitra fa manan-talenta ny tanora malagasy ka mila tosika sy fanofanana hahazoany mivoatra.
Nisy ny fitsidihana tranoheva fampirantiana nahitana mpiara-miombon’antoka maro miara-miasa amin’ny minisitera, toy ny IME, Anka, Nea ary Socotec.
Anisan’ny tanjon’ny minisitera ny hanofanana ny tanora ho matihanina amin’ny fametrahana sy fikojakojana rafitra herin’ny masoandro, hampitombo ny fahafahan’izy ireo miasa, ary hanohana ny fampandrosoana lovainjafy amin’ny alalan’ny angovo azo ha­vao­zina sy ny angovo maitso.

Vonjy

Partager sur: