ENS Toamasina : Nosoniavin’ny filohan’ny oniversite ny mari-pahaizana Master

Mpianatra teo anivon’ny Ecole normale supérieure (ENS) Toamasina miisa 138 nahavita fanohanan-kevitra hahazoana ny mari-pahaizana Master.

Mention anglais, française, Histo-géo (mpianatra 30); Mention malagasy, mathématiques, In­forma­tique, philosophie miisa 15; Mention physiques chimie, sciences de l’éducation ma­hatratra 60 ary Mention sciences économiques et sociales no mandrafitra ny ENS Toa­masina amin’izao fotoana izao. Samy nanana mpianatra niatrika fanohanan-kevitra avokoa izy ireo. Andiany voalohany hisitraka ny mari-pahaizana Master ireto mpianatra ireto taorian’ny fampianarana ary nahatontosa ny fanohanan-kevitra tamin’ity taom-pianarana 2024-2025 ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny tomponandrakitra ao amin’io sekoly ambony io.
Andiany telo no efa nangataka ny diplaoma Master, ahafahany mitady asa. 45 ny andiany voalohany, 17 ny faharoa ary 25 ny fahatelo. Aorian’ny fanohanan-kevitra nataony, omena iray volana ny mpiadina hanaovana fitsarana ny boky, arakaraka ny toromariky ny mpitsara. Rehefa vita ny fitsarana izay tsy maintsy ankatoavin’ny mpitsara telo, azo apetraka ao amin’ny bibliothèque universitaire ny boky, miroso amin’ny fangatahana diplaoma amin’izay ny mpianatra, araka ny fenitra napetraka.
Ny volana febroary lasa teo no nametraka fangahatana ny andiany voalohany. Noho ny tsy fahafantarana ny fizotra izany fangatahana izany, misy ireo mpianatra efa nikaroka ka nahita asa amin’ny sehatra samihafa satria be mpitady izy ireo. Mbola misy koa ny vola efaina eny anivon’ny banky ho saran’ny fisitrahana.
Ho an’ireo nahafeno ny fepetra, nosoniavin’ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina, ny profesora Razanakolona Diny, omaly, ny diplaoma. Tsy andraikitry ny ENS irery ny mpianatra nahavita fanohanan-kevitra fa misy ny fifandrimbonana andraikitra amin’ny oniversite manao sonia ny diplaoma.

Vonjy

Partager sur: