Fikambanana Silamo Malagasy : Hanamarika ny faha-51 taona niorenany

Noho ny fitahian’i Allah Soub’hana Wa Ta’Anla, feno 51 taona ny Fikambanana Silamo Malagasy. Hanamarika izany vanim-potoana manan-tantara izany izy ireo ny 2-3 septambra 2025, ao amin’ny Centre de formation eny Maibahoaka Ivato. Noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19 namela takaitra maro teo amin’ny fiainan’ny Malagasy dia izao vao atao izany fanamarihana izany. Tamin’ny alalan’ny didim-pitondrana 1523, ny 24 avrily 1974 no nanomezan’ny fanjakana azy ny sata maha ara-dalàna azy ireo eto amin’ny tany sy ny fanjakana an’i Madagasikara. Fikambanan’ny Silamo Malagasy no anarana hatramin’ny taona 2003. Nanomboka ny 2003 hatramin’izao kosa, Fikambanana Silamo Malagasy no anarana amondronana ny fikambanam-pinoana ivondronan’ny mpino silamo rehetra eto Madagasikara, eken’ny fanjakana. Noho izany, fikambanam-pinoana iray no tondroina amin’ireo anarana ireo. Mandritra io andro manan-tantara io dia hisy ny fanitsiana ny fitsipi-panorenana (status) sy ny fitsipika anatiny mba hanamafisana hatrany ny fanarahan’ny fianakaviamben’ny mpino silamo eto Madagasikara ny fampianaran’ny boky masina Coran. Eo koa ny fifidianana ny filankevi-pitantanana sy ireo rantsamangaika takin’ny firaisankinan’ny mpino silamo eto Madagasikara ary ho fiarovana ny fihavanana malagasy, ny soatoavina fototra eo amin’ny fiarahamonina.

Jean Claude

Partager sur: