Ho fitsinjarana ny rano manondraka ny lemak’Antananarivo amin’ny voly vary, naroso ny famohana ny vavarano tamin’ity taom-pambolena ity, izay dinika efa niarahana tamin’ireo tantsaha. Manara-maso ny fitantanana ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo sy ny manodidina ny Apipa. Tsy amin’ny tondradrano ihany izany fa amin’ny fitantanana ny rano eny amin’ireo tohodrano ihany koa. Fa indrindra ny fitsinjarana izany amin’ny lemaka manodidina. Anisan’ireo andraikitra sahan’ ny Apipa izany ny fanaraha-maso ny fizotran’ny fampiasana rano amin’ny fotoam-pambolena sy ny fikojakojana ireo fotodrafitrasan’ny rano.
Araka ny fandaminana sy ny tetiandron’ny fitsinjarana rano dia ny kaominina Iarinarivo sy ny manodidina no isitraka izany voalohany.
Nilaza ny fahafaham-pony ny tantsaha amin’ny fampidiran-drano araka ny tokony ho izy teny Iarinarivo. Fiangavian’ny mponina ny hanohizana izany.
Nanazava ny teknisianina, Andriamanandafy Jean Rolland, fa efa nokojakojaina mialoha ny lakandrano Andriantany ho afaka manondraka ny tanimbary manodidina. Manana anjara lehibe amin’ny fanondrahana ny lemak’i Betsimitatatra ny rano eo Tanjombato, izay iantombohan’ny fanondrahana mihitsy. Misitraka izany ny lemaka eny Ankasina, Andohatapenaka, Anosivavaka, Ambodivonkely, Ambohimanarina, Laniera, Nosibe Zaivola, Andranomena, Belanitra….
Tatiana A




