Tsy mijanona ela any am-ponja… Ravan’ny zandary ny tambajotran-jiolahy tarihin’i Allh Kaidà

Ravan’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Atsinanana, tarihin’ny Kly Ranaivoarison Théodule, ny tambajotran-jiolahy roa samihafa, ny alatsinainy sy talata teo. Fantatra fa jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana tao Tanamakoa, Tanambao fahadimy, Salazamay ry zalahy ireto, tahirin’i Darilisy (Allh Kaidà). Anisan’ny nandray anjara tamin’ny famonoana ilay teratany frantsay sy ny vady aman-janany tao Dépôt fahefatra ny taona 2018 izy ireo. Nandritra ny famotorana azy ireo, niaiky ireto jiolahy ireto ka nitantara ny fomba fanafihana nataon’izy ireo ary nilaza fa mampiasa basy mahery vaika. Nambaran’ireo jiolahy fa efa indimy niditra am-ponja i Darilisy sy Donal rahalahiny saingy tsy mijanona ela any am-ponja ka miverina manohy ny asa ratsiny indray aorian’izay. Nohamafisin’ny zandary fa mitonona ho “Allh Kaidà” mihitsy ity jiolahy raindahiny lehiben’izy ireo ity. Nambaran’ny Kly Ranaivoarison Théodul fa efa tao amina trano fisotroana iray ao Ambolomadinika ry zalahy ka nikasa hanao fanafihana nandritra ny fahatapahan’ny herinaratra ny alatsinainy teo. Mbola nahitana fahitalavitra fisaka sy fanamafisam-peo tany amin’izy ireo.

Sajo/J.C

Partager sur: